- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpamaky trano dimy lahy saron’ny zandary

Antsirabe : Mpamaky trano dimy lahy saron’ny zandary

Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao Alakamisy fokontany Soavinarivo Sahanivotry, ny alin’ny 3 janaoary lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Jiolahy dimy no voalaza fa nanao ny fanafihana, ka ireo trano fivarotana tao an-tanana no lasibatra tamin’izany. Efa nomanin’ireto jiolahy mihitsy ny fanafihana, satria maty paika tanteraka ny fomba nentin’izy ireo nanafika. Vola an-tapitrisany no lasan’ireo jiolahy niampy “convertisseur” iray. Nisy ihany ny fifandonana nandritra ny fanafihana ka olona roa no fantatra fa naratra. Tsy voamarina aloha hatreto raha nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireto jiolahy ireto fa raha ny fazavana azo teo amin’ny zandarimaria Andranomadio, dia nisy fipoahan-javatra mafy nandritra ny fanafihana ka tsy voamarina na basy na tsipoapoaka nentina nampitahorana ny voatafika.

Sendra ny andro miditra koa reto jiolahy, fa nandritra ny fanafihana raha ny nambaran’ny lefitry ny kaomandin’ny borigady Andranomadio GPHC Andriatsiresy Herinomena dia nisy solafaka ireo jiolahy nahatonona ny anaran’ny namany iray noho ny fahamehana. Teo no niainga ny fanadihadiana nataon’ny “poste avancé “ ao Sahanivotry ka nahatrarana ny iray tamin’ireo jiolahy. Io avy eo no nanoro ny namany hafa ka izao nahasarona azy dimy lahy izao.

Araka ny fanazavana hatrany, misy amin’izy dimy lahy ireto no efa malaza ratsy eo an-tanàna. Natolotra ny fitsarana omaly izy dimy lahy.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici