- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpamaky trano efa-dahy voasambotra

Antsirabe : Mpamaky trano efa-dahy voasambotra

Efa tena raindahiny amin’ny famakiana trano ireto jiolahy tratra tao amin’ny fokontany tao atsinanan’ny vohitra ireto. Iraika ambin’ny roapolo taona moa ny zandriny indindra, telo ambin’ny telopolo taona kosa ny zokiny, « barre à pince » sy antsibe ary famaky no fitaovana entin-dry zalahy ireto amin’izany,  ary  efa trano fito amin’izao no novakian’izy ireo.

Kojakoja fampiasa ao an§tokantrano no lasibatra amin’izany, ka ny fanaoavany azy dia mandritra ireny trano mangingina tsy misy olona ireny, rehefa antoandro. Poiriny ny varavarana ary taominy ny entana. Tsara sitrapo eo amin’ny mpiara-monina no nampandre ny polisy ka nahatratrarana ireto efa-dahy mpangalatra ireto ary hatolotra ny fitsarana ny sabotsy izao izy ireto, ao aorian’ny fakana am§bavany azy. Mahate hidera tokoa ny fihetsiky ny olona sasany izay manampy  ny mpiara-belona amin’ny  famongorana ireo olon-dratsy eny an§tanana. « tao trano tokoa tsy vitan’ny irery, ary izay mifanampy ihany tokoa no mahavita zavatra, ka mba hampihena ny asa ratsin’ireo totakely eto amintsika

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser