- Publicité SW45 -
jeudi, avril 18, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpamaky trano efa-dahy voasambotry ny polisy

Antsirabe : Mpamaky trano efa-dahy voasambotry ny polisy

Mpirahalahy ny roa amin’ireto jiolay ireto.
Mpirahalahy ny roa amin’ireto jiolay ireto.

Olona efa avy nigadra avokoa ireto voasambotra ireto indray. Nisy tamin’izy ireo efa nahavita 10 taona

Mirongatra izay tsy izy ny vaky trano teto Antsiabe hatramin’ny niandohan’ny volana desambra 2013 lasa teo. Saika ireo fokontany manodidina dia andrenesana izany avokoa. Tsy fantatra aloha hatreto raha misy tambajotra mihitsy ireo mpanao ratsy fa dia isaky ny fokontany saika andrenesana tsy fandriam-pahalemana avokoa. Andian-jiolahy iray mantsy no tra tehaky ny polisy teto Antsirabe, efa dahy no vaosambotra. Anisan’ireo jiolahy nampihorohoro ny faritra teny amin’ny manodidina ny Star sy Manandona izy efa-dahy . Fantatra fa efa nokarohina hatry ny ela ireto jiolahy ireto, voalaza mantsy fa  samy efa nigadra avokoa ry zalahy ary efa tena za-draharaha tokoa amin’ny resaka vaky trano.  Ny roa lahy efa nigadra folo taona be izao, Ny iray efa nahavita 5 taona, ary ny iray hafa namita 3 taona tany am-ponja, nefa izao mamerina ny asa ratsiny izao indray. Mpirahalahy ny roa amin’izy voasambotra ireto. Ny “épicerie” no tena lasibatra, ankoatra izay dia voarohirohy amina halatra kisoa koa ry zalahy ireto. Natolotra ny fitsarana ny alarobia 15 janoary lasa teo moa izy efa-dahy voasambotra ireto.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser