- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpanefy firavaka, nangalatra volamena efa ho 1kg

Antsirabe : Mpanefy firavaka, nangalatra volamena efa ho 1kg

Saron’ny mpitandro filaminana ny mpanefy firavaka iray eto Antsirabe nangalatra volamena iray kilao latsaka kely rehefa avy nifampitadiavana. Mpiasana-tera tany vahiny iray mpanefy firavaka ity namoa-tsapona ity rehefa nametrahan’ny mpampiasa azy fitokisana. Volamena milanja 1963grama no nomen’ilay vahiny azy ho tefena kinanjo nivadi-pahatokisana ilay rangahy ka izao noentiny nandositra izao ny volamena. Taorian’ny fitarainana nataon’ilay mpampiasa azy teny amin’ny mpitandro filaminana dia natao ny fikarohana. Nosavana ny trano fiasany ka volamena milanja 846 grama no banga tamin’ilay vongam-bolemane nomena azy. Fantatra fa nitsoaka tany amin’ny zaodahiny ingahy rainy ary tany no nanafenany ilay volamena. Nampandre ilay zaodahiny ny rahalahin’ilay mpanefy volamena nilaza  fa misy raharaha mahavoasaringotra azy ka izay no antony hisitrihany ao aminy. Mailo ilay zaodahiny ka nanao fisavana ary hitany tao anaty gonin-tsarivao ny vaingam-bolamena miisa roa. Tsy afa niala intsony ilay mpanefy ary nibaboka ny zavatra nataony. Vosambotra noho izany ilay mpanefy ary voatazona niaraka taminy ihany koa ny mpiasa roa lahy niaraka taminy sy ilay rahalahiny nitoroka azy izay samy hatolotra ny fampanoavana avokoa.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici