- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpanendaka roa lahy voasambotry ny polisy

Antsirabe : Mpanendaka roa lahy voasambotry ny polisy

JIOLAHYMpanendaka roalahy indray no saron’ny polisy ny alatsinainy 27 janoary lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina, teo akaikin’ny Zaodahy  Antsenakely. Nitombo isa tato ho ato ny faritra tsy azo lalovana amin’ny alina eto Antsirabe fa feno mpanendaka sy mpanao sinto-mahery. Eny fa na dia amin’ny andro antoandro aza dia misy ireo olon-dratsy manao izany raha toa ianao ka varimbariana. Fahasahiana tokoa ny an’ireo jiolahy fa toerana maresaka ity toerana anaovany ny asa ratsiny ity, misy  karaoke manamorona ny lalana sy ireo mpivarotra amoron-dalàna mandra-parainan’ny andro.  Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy amin’ny alina no nahatra-tehaka azy roa lahy ireto. Fanomezam-baovao avy amina olona tsara sitra-po no nahafantaran’ny polisy fa misy manendaka eo akain’ny fivarotana Zaodahy Antsenakely raha vao maizina ny andro. Telo lahy no nenjehina tamin’io fotoana io saingy tafaporitsaka ny iray fa ny roa  noraisim-potsiny. Mbola tratra teny amin’izy roa lahy ireto moa ny fitaovana ampiasainy, toy ny antsy, sarontava, kitapo gony, ary fonosana rongony iray izay niampangana azy ireo ho mpanendaka. Nanda hatramin’ny farany moa izy roa lahy ireto tamin’ny fanadihadihana natao azy, ary tsy nanaiky ho amin’ny fanamelohana azy. Efa natolotra ny fitsarana ny raharaha.  Nanentana hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka moa ny polisy amin’ny fanomezam-baovao hamongorana ny jiolahy.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser