Andro miditra ny an’ity mpangalatra moto iray tao amin’ny hotely Diamant, ny faran’ny herinadro lasa teo. Voasakana teo am-bavahady ranamana raha iny izy nanosika moto hivoaka ny vavahady fivoahana iny.Tsikaritry ny mpiambina fa tsy ilay tompon’ilay moto no nanosika azy nivoaka ny toeram-pialamboly iray. Nosakan’ity farany avy hatrany ilay lehilahy ary nolazainy fa tsy azy ny moto natosiny ka tsy mahazo mivoaka ny faritra. Nanda anefa ilay mpisam ka nilaza fa azy ny moto matoa entiny mivoaka.Teo ihany dia natsoina nivoaka ny tena tompon’ny moto, mbola nanda ihany ity lehilahy nanosika azy fa lazainy azy. Nanontany ny ao ambanin’ilay fipetrahana ilay tompon’ny moto avy eo. Tsy nisalasala koa ity mpisoloky nilaza fa taratasin’ny moto sy bidon kely iray no ao. Nosokafana ny tao ambanin’ilay fipetrahana, navoakan’ny tompon’ny moto avy tao basy « pistolet iray » nanambanany ilay mpagalatra ary nanontaniany avy hatrany raha azy koa ilay basy. Tsy nahahetsika intsony ranamana ka norasim-potsiny avy eo. Fantatra moa fa manana taratarasy fahazahon-dalana ara-dalana ilay tompon’ny moto.
Andry N.