Nirongatra ny halatra môtô teto Antsirabe tato ho ato izay, maro no efa tra-tehaky ny polisim-pirenena, fa mbola maro koa ireo mivezivezy eny rehetra eny.
Tsy ny eto Antsirabe renivohitra ihany no tena itrangan’ity halatra môtô ity, raha ny fanazavana, fa saika manerana ireo distrika sasantsany manodidina ny tanàna. Isan’izany ny ao Ambohimandroso sy Ambatolampy ary ny distrikan’Antanifotsy. Lehilahy roa teto Antsirabe, no saron’ny polisy tamin’ity resaka môtô ity, ny 21 janoary teo izy roa lahy ireto no niakatra fitsarana. Araka ny fanazavana avy tamin’ny polisim-pirenena hatrany, dia vaovao avy tamin’ olona tsara sitrapo no nahenoana fa misy roa lahy mivarotra môtô cross mampiahiahy tao Ambohimalaza Antsirabe. Taorian’ny fanadihadiana, niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany ny polisy ka tratra tao amin’ity tovolahy ity ny môtô roa, niaraka tamin’ny fitaovana maro. Efa noravaina ilay môtô na dia mbola mipetraka tsara aza ireo kojakoja sasany. Nandà anefa ity lehilahy sarona ity, ary nilaza fa tsy mahafantatra ny momba ireo môtô roa ireo, fa ny namany no nolazainy fa niangavy taminy hametrahana ireo môtô ireo ao amin’ny fonenany. Natao koa ny vela-pandrika tamin’ity farany voalaza ity, ka tsy ela akory dia voasambotra koa ranamana. Nandà koa anefa ity voasambotra faharoa ity ary nilaza ny tsy mahalala ny momba an’ireo môtô ireo. Hatreto dia tsy fantatra mazava tsara ny tena tompon’ireto moto cross roa ireto. Tsy nisy fanambarana fahaverezam-panana voaray rahateo tao amin’ny polisy.
Andry N.