- Publicité SW45 -
mercredi, juillet 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpangalatr’omby iray maty voatifitra

Antsirabe : Mpangalatr’omby iray maty voatifitra

Na dia nasaina nijanona aza ireo mpangalatr’omby dia mbola lasa nandositra ihany, sady namaly ireo mpitandro filaminana. Voatery nampiasa ny fitaovana teny aminy ireo zandary ka tamin’izany no nahafaty ny iray tamin’ireo jiolahy. Ireo namany kosa afaka nandositra. Ny alin’ny 19 novambra tokony ho tamin’ny 12 ora, nisy andian’olona nangalatra omby tao amin’ny tanànan’Antsoatany Antsirabe. Avy be ny orana tamin’izay fotoana izay ka tsy nisy nahare ny fahatongavan’ireo mpangalatra. Afaka fotoana fohy, nivoaka nijery ny valan’omby ny tompony ka akory ny hagagany fa tsy nisy tao intsony ireo biby. Notairina ny fokonolona, nampandrenesina ny zandary any an-toerana. Hita fa nihazo niatsinana ireo olon-dratasy. Natao avy hatrany ny fanarahan-dia. Tokony ho tany amin’ny 4 km miala ny tanàna no hita ny omby telo. Nitohy hatrany ny fanarahan-dia ka efa tonga teny akaikin’ny tanànan’Antanifotsy, hita ny omby roa tamin’ny 3 ora maraina. Tsy nijanona teo anefa ny zandary fa mbola nanenjika ihany. Tamin’ny 8 ora maraina, hita ny omby 4. Teo ihany koa ireo mpangalatra. Tamin’izay fotoana izay ry zalahy no nasaina nijanona nefa lasa ihany. Teo no nahafaty ny iray.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser