- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpianaka nahatratrana rongony sy taratasim-bola fanaovana vola sandoka

Antsirabe : Mpianaka nahatratrana rongony sy taratasim-bola fanaovana vola sandoka

Roa volana lasa izay no efa ravan’ny polisy teto Antsirabe ny tambajotra mpivarotra rongony tao amin’ny fokontany Atsimotsena sy Ampatana. Tsy nanafoana ny fisian’ireo mpivarotra anefa izany fa misy hatrany ireo izay manao fivelomana azy ity mihitsy. Ramatoa lehibe iray tokony ho 53 taona sy zanany  lahy 21 taona no saron’ny polisy indray tao amin’ny fokontany Mahazina ny Sabotsy  11 Novambra lasa teo. Loharanom-bavovao avy tamina olona tsara sitra-po no nahafantarana fa misy olona manao vola sandoka sy mivarotra rongony ao Ambohimena ao. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavana ilay trano ahiahiana ny polisy rehefa nahazo alalana tamin’ny fitsarana. Nitombina tokoa ny filazan’ny olona, hoy ny BRSP eto Vakinankaratra, fa tratra tao amin’ilay tokantrano ny rongony milanja 2kg sy fonosana rongony maromaro. Ankoatra izay dia mbola tratra tao amin’ity tokantranon’izy mianaka kely ity ihany koa ny taratasy fanaovana vola sandoka. Mitovy habe amin’ny vola 10.000 ariary izy io. Marihina fa taratasy hafa mihitsy,  miendrika ireny « papier calque » ireny, miloko mainty, ary mbola nisy fanafody gasy koa miaraka amin’ny fomba fampiasa azy ary nafenina tao amina tranom-bitro izy ireo. Nolavin’izy mianaka ny fitahirizana ireo taratasy fanaovana vola sandoka ireo fa ny fivarotana rongony no nekeny fa tena fanaony tokoa. Tsy vitan’ireo ihany ny entana tratran’ny pôlisy tao amin’izy mianaka ireto fa mbola nahitana fanafody anaty baoritra maromaro. Tsy fantatra ny tena asan’ireo fanafody ireo na ampiasana amin’ny fanaovana vola sandoka na afera hafa mihitsy. Nanamafy ny kaomisera divisionera fa ny fiaraha-miasa amin’ny fokonolona eny ifotony no tena ahitam-bahaolana toy izao ka nanentana hatrany ity farany amin’ny fiaraha-miasa fa hotazomina ho tsiambaratelo hatrany izany.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici