- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpianaka nitaingim-posy nofaohin’ny moto

Antsirabe : Mpianaka nitaingim-posy nofaohin’ny moto

Tsy nanam-po na inona na inona ilay renim-pianakaviana niaraka tamin’ny zanany iray teo ambony posy kanjo avy hatrany dia nitsamboatra nipitika rehefa avy nofaohin’ny moto iray tao Vatofotsy Antsirabe, ny alahady 1 desambra lasa teo.

Andeha hamonjy fodiana izy mianaka kely ireto izao tra-doza izao. Efa somary maizina ihany ny andro, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva teo ho eo. Teo ambony posy ilay ramatoa sy zanany no nifaohin’ny moto iray nitsotsotso avy ao aoriana. Nambaran’ny niharam-boina fa sady tsy nisy jiro ilay moto no nandeha mafy rahateo ka mafy ny fifandonana, ny andro anefa efa maizina. Voadona mafy ilay posy ka nitsambikina nipitika mihitsy izy mianaka, vokany tsy nisy noraisina intsony ilay posy  fa potika tanteraka. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy, fa ratra madinika no nahazo ilay ramatoa kely,  tsy naninona kosa ilay zanany sy ilay rangahy nitarika ny posy. Taorian’ny zava nitranga, vetivety dia tonga maro ny olona nijery ny zava nitranga. Rehefa nanontaniana ny « carte grise » ilay tovolahy nitondra ny moto dia nilaza fa tsy manana, izy rahateo raha ny vaovao voaray  hatrany dia  efa nahenoana fofon-toaka. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka mihitsy  moa ilay tovolahy sy ny moto nentiny, soa ihany fa nahay nifandamina ny roa tonta ka nitondra malaky ilay ramatoa naratra tany amin’ny hopitaly ilay nandona. Fantatra kosa fa ilay lehilahy nandona no niantoka ny lany  tamin’ny fitsaboana rehetra. Ilay ramatoa moa dia mbola manaraka fitsaboana sy fanaraha-maso ankehitriny.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser