Sakoroka no niafaran’ny lalao baolina kitra nifanandrinan’ny mpianatra avy amin’ny lisea André Resampa “LARA” sy ny mpianatry lisea teknika tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo.
Teo amin’ny kianjan’ny lisea LARA no natao ny lalao, marihina fa lalao famarananna izy ity. Tsy ireo mpilalao akory no nisakoroka teto fa ireo mpanohana teo andaniny sy ny ankilany izay samy mpianatra avokoa. Hatramin’ny niandohan’ny lalao no efa samy hita fa nifandrangitra ireo mpianatra roa tonta raha ny filazan’ny nanatry maso. Samy nanao taim-bava fifampihatsiana ireo samy mpianatra nanohana ny ekipany. Nihamafy izany rehefa nikobana ny haraton’ny mpianatry ny lisea teknika. Samy nahazaka ny fandrangitana ny roa tonta nandritra ny lalao, saingy tovolahy iray kosa no voalaza fa efa mamo ary nitora-bato rehefa hirava ny lalao. Teo no nanomboa ny sakoroka ary nifampitora-bato ny samy mpianatra. Raikitra ny fifanjevoana ka mpianatra iray no tena voa mafy, naratra teo amin’ny tavany vokatry ny tsindrona antsy, izay tsy fantatra ny tena nihaviany. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana vao nilamina ireo mpianatra na dia nivoaka teny ivelan’ny kianja aza. Maro ireo mpianatra no nitondra ratra nody ary samy mbola tsy niala vato teny an-tanan’izy ireo.
Andry N.