- Publicité -
mercredi, mai 28, 2025
AccueilFaits-DiversANTSIRABE :  Mpiasa 45 isa notolorana mari-boninahitra

ANTSIRABE :  Mpiasa 45 isa notolorana mari-boninahitra

Toy ny mahazatra dia miaraka hatrany amin’ny fanolorana mari-boninahitra ireo mpiasa mendrika izany ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovan-tena teto Antsirabe. Mpiasa miisa 45 no nohazo izany mari-boninahitra izany ka natolotra tamin’ny fomba ofisialy ka mitsindra toy izao : 31 nahazo ny “Ordre national Malagasy” raha toa ka 1 notolorana Grand-Croix de 2ème classe, 8 kosa no Grand-Officier de l’ordre National Malagasy ary 2 Commandeur de l’Ordre  national Malagasy, 4 nahazo ny Officier de l’Ordre National Malagasy, 16 chevalier de l’Ordre National Malagasy 1 Chevalier de l’ORdre de Mérite de Madagascar. 13 Médailles de travail : 8 médailles d’argent, 5 Médailles de Bronze.

Nitohy tamin’ny matso  ny lanonana izay nandraisan’ireo miaramila isan-tsokajiny avy toy ny ACMIL, ENSOA, ENIAP sy ny zandarimariam-pirenena sy ny polisy ary ny fandraharahana ny fonja. Ankoatra izay ny fandraisan’ireo mpiasam-panjakana rehetra  dia saika nahitana solon-tena avokoa isaky ny fitalevam-paritra narahinin’ireo mpianatra sy fikambanana miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana sy ireo mpanao fanatanjahan-tena. Nitaraika ny lanonana ny prefet an’Antsirabe Raharison Miarana notronin’ny governoran’ny faritra sy ireo solom-bavahoaka ary ny ben’ny tanan’Antsirabe Dr Unoh sy ireo telam-paritra isa tsokajiny.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici