- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpiloka roa lahy nifanindrona antsy

Antsirabe : Mpiloka roa lahy nifanindrona antsy

Tsindrona antsy no niafaran’ny fifamalina bandy kely roa lahy mpiloka tao Antsenakely, ny alin’ny 6 may lasa teo. Mpibata entana sy manampinampy  ireo mpivarotra ao Antsenakely no anton’asan’izy roa lahy nifamaly ireto. Voalaza fa vola 1000 ariary no nifandirana tamina loka nifanaovana. Refeha samy nanao vava be sy nifanompa izy roa lahy dia raikitra totohondry avy eo, tokony ho tamin’ny 9 ora alina teo. Nitohy ny sakoroka ka niditra tao Antsenakely ny iray, tao amin’ny tsena izay voalaza fa iasany matetika ihany. Tsy nisy nahatsikaritra, fa hay naka antsy tao anaty harona  ity mpifanandrina iray. Nantsoiny moramora avy eo ilay niady taminy, ary nentiny tamina toerana tsy dia maro mpivezivezy nilazany hanao iray sy iray aminy raha mbola mahasahy. Vantany vao dify kely ny toerana be olona anefa ilay naka antsy, tsy nisy alaharo fa tsindrona antsy avy hatrany no nasetriny ilay namany ka voa mafy teo amin’ny tratrany. Nijininika ny rà, mbola afaka nitsoaka anefa ilay voa ary niantso vonjy. Ny nanatri-maso no nitazona ilay nanindrona antsy ka nitondra azy tany amin’ny polisy avy eo,  ny sasany kosa nitondra haingana ilay voatsindrona tany amin’ny hopitaly. Voalaza fa tsy tompon’ny tenany intsony ilay nanindrona antsy noho ny fahamamoana diso tafahotra loatra.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser