- Publicité SW45 -
vendredi, mars 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpisandoka ho mpiasan’ny fahasalamana voasambotra

Antsirabe : Mpisandoka ho mpiasan’ny fahasalamana voasambotra

Nanofa hotely nandrindra ny 5 andro teto Antsirabe izy 6 mianadahy, roa vavy sy efa dahy. Nitrosa  zava-pisotro sy tsakitsaky manodidina ny 2 hetsy teo tamin’ny mpivarotra zava-pisotro iray fanta-daza tao Andranomafana. Tsy vitan’izay fa mbola nanofa posy sy bajaj iray niantoka ny fivezivezeny teto Atsirabe nandridra ny dimy andro.  Mahay mampiresaka, madio fitafy, ary tsy misy amantarana azy loatra fa olon-dratsy izy ireo raha ny endrika ety ivelany. Tsy nisy voaefany  ny vola rehetra na dia ariary aza fa mpisoloky efa matihanina izy ireo.

Fantatra fa avy ao Antananarivo no fiaviany fa tonga teto Antsirabe nanao ny asa ratsiny, saingy izao sarona izao. Milaza ho dokotera ny roa tamin’izy ireo. Ny ambiny kosa mpanampy. Milaza ho mpiasan’ny ministera voairaka hiasa any Toliara, saingy voatery mijanona eto Antsirabe miandry vola alefan’ny ministera. Izany no fomba nentin’ireto mpisoloky gaigy lahy sy gaigy vavy ireto  manjono ireo izay olona sendra azy. Ilay mpivarotra zava-pisotro no nametraka taratasy fitarainana voalohany tao amin’ny mpitandro filaminana. Nanaraka ny hotely, ary nampandre avy hatrany fa misy vahiny tsy mety mandoa ny hofan’ny hotely. Nidina ifotony avy hatrany ny polisy nijery ireto vahiny  ireto ary nanao ny  fisavana  avy hatrany. Tsy manana taratasy manamarina fa dokotera sy mpiasan’ny ministeraka izy 6 mianadahy, tsy nisy taratatasy na dia iray aza manambara fa hamita iraka izy ireo, fanafody maro avy mifono homeopharma no hita tao amin’ny entany. Notazomina avy hatrany nanaovana famotorona ireto olona ireto, nandritra izany anefa dia efa nisesisy ny fitoriana nataon’ireo lasibatra hafa, toy ny mpitondra bajaj sy mpitondra posy.

Natolotra ny fampanoavana omaly teto Antsirabe izy 6 mianadahy. Hatramin’ny ora nanoratana dia tsy mbola nivoaka ny didy fa inoana fa tsy maintsy hiditra am-ponja izy ireo miandry fitsarana azy.

Tsy vao sambany akory no nisy tranga toy izao teto Antsirabe. Efa nisy andiam-behivavy ihany koa misoloky sy mangalatra amin’ireny toeram-pivarotana lehibe ireny ary mahavita manofa hotely lafo mihitsy.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici