Nitrangan’ny loza mahatsiravina indray tamin’iny lalam-pirenena fahafitony omaly maraina. Lehilahy iray, mpitondra tongomalady (bisikleta) no namoy ny ainy rehefa nianjera ary niafara tany ambanin’ny kodiaram-ben’ity kamiao iray nifanena taminy. Araka ny fanazavana azo dia dia niaraka maromaro ireto mpitondro tongomalady ireto ary nitanjozotra ho any an-drenivohitr’i Vakinankaratra. Teo Andranonahoatra anefa nifanena tamin’ny fiarabe iray handeha hihazo ny renivohitra izy ireo no nitranga ny loza. Ny fampitam-baovaon’ny zandary no nahafantarana fa ankevitry ny mpitondra môtô scooter iray, tsy nanara-dalàna sy nanao fisongonana nampidi-doza no fototry ny loza. Voalazan’ireo nanatri-maso mantsy fa hoe talohan’ny fotoana nitrangan’ny loza dia niezaka ny hisongona tsy ara-dalàna azy ireo ity mpitondra môtô ity na dia efa somary akaiky ihany aza ilay nifanena. Somary nanery sy nifatratra tany amin’ity mpitondra tongomalady ilay môtô, antony nahatonga ity farany tsy nahatana intsony « equilibre » sy nianjera nony avy eo ary voahitsak’ilay fiarabe nifanena. Maty tsy tra-drano ity farany. Nidina teny ifotony avy hatrany ireo zandary vao nahare ny loza ary nanokatra ny fanadihadiana. Nentina nihazo ny tranom-paty kosa ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy tra-doza ity.
m.L