Tsy nisy intsony ny fifanajana fa dia fihantsiana sy karazana ompa no nahazo ilay mpitandro filaminana teo Antsenakely, omaly hariva tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany hariva teo.
Mpitarika sarety kely nitondra menaka no niaka-piakarana teo ampovoan-dalana Antsenakely omaly. Iaraha-mahita hatrany moa ny vesatry ny entana taterin’ireny sarety kely ireny fa matetika dia mizaka ny tsy eran’ny aina mihitsy ireo mpikarama. Tsy zakan’ny olon-tokana ny saretikely rehefa feno entana ka tsy maintsy misy foana ny mpanosika mpanampy avy aty aoriana. Ity farany no voakasok’ilay fiara tao ariana, izay mpitandro filaminana avokoa no tao anatiny. Somary sendaotra ilay ranamana voakasoka ka niteny tamin’ireo mpitandro filamanana fa voahitsaka ny tongony. Nivoaka ny varavarana ity mpitandro filaminana iray ka avy hatrany dia nomeny ny daka ilay mpanosika. Teo no nanomboka ny gidraka fa tsy zakan’ilay mpanosika ny nahazo azy, izy rahateo amin’io efa tsemboky ny harerahana, Tsikaritr’ity mpanosika koa fa efa misy fofoana alikaola ilay mpitandro filaminana ary toa efa mamo ka tsy nasiany hajany intsony fa ompa variraraka sy fihantsiana hiady no nasetriny taminy. Nentin’ireo namany niverina tao anaty fiara moa ilay mpitandro filaminana ary nanohy ny diany izy ireo avy eo.
Andry N.