Voasambotry ny zandary tany Mahajanga ny mpivady roa mpisoloky gaigy fantatra amin’ny anarana hoe Bema sy Nanou.
Raha ny tokony ho izy hoy ny fanazavan’ny mpitandro filaminana dia tokony hanefa ny saziny any am-ponja ireto mpivady mpisoloky ireto hatramin’ny volana Aprily 2015. Efa voasambotra mantsy ary efa niakatra fitsarana tamina resaka fisolokiana izy roa ireto nefa dia izao miriaria sy manohy ny asa ratsy fanaony izao. Olona maro no efa voafitak’izy ireto indrindra fa ny teto Antsirabe izay nahazoana an-tapitrisany maro mihitsy. Mitonona ho sahirana any amin’ny olom-patany izy mivady ary milaza fa manana vola be amina miliara mihitsy any amina petra-bola anaty finday asehony mihitsy io “message” milaza ny petra-bolany io izay izy ihany no manao azy. Ambarany fa izay mampindrana vola azy dia soloinay fiara telo tsy misy arakaraka. Vao azony anefa ny vola dia iny izy no tsy hita intsony. Toy izany hatrany ny fomba fanaony ary tapitrisa anjatony maro no efa azony.
Araky ny loharanom-baovaoa azon’ny zandariamaria dia fantatra fa any Mahajanga no nisy azy ireo ary olona maro koa no efa voasoloky tany ka nahazoana fitarainana. Mitovy rahateo ny fomba fitrangan’ny fisolokiana. Nidina tany Mahajanga ny zandary nikaroka ireo mpisoloky ireto ary voasambotra tany tokoa izy mivady tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo.
Efa natolotra ny Fampanoavana omaly teto Antsirabe izy mivady.
Andry N.