- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpivady niady, maty voatsindrona antsy ny zanany vao 7 volana

Antsirabe : Mpivady niady, maty voatsindrona antsy ny zanany vao 7 volana

Tsy tana intsony ny ain’ilay zazavavy kely vao 7 volana monja, voatsindrona antsy teo amin’ny faritry ny lohany. Tsy iza no nahavanon-doza, fa ny ray aman-dreniny ihany. Hatreto, dia tsy mbola fantatra mazava hoe iza  tamin’izy mivady no nahavanon-doza, fa eo an-dàlana amin’ny fanaovana ny fanadihadiana ny mpitandro ny filamininana amin’izao nefa voasambotra rahateo izy mivady. Nilaza ny mpiray vodirindrina amin’izy roa ireto fa mamolava izy mivady ary saika ho isan’andro no miady lava. Ao amin’ny fokontany 3A , manakaiky ny abatoara eto Antsirabe no nisehoan’ity tranga mampalahelo ity. Ny Talata lasa teo no nitrangan’ny loza, toy ny mahazatra, dia re mifamaly izy mivady ka tsy nahataitra ny manodidina intsony. Tokony ho tamin’ny 9 ora alia anefa , nanatona ny fianakaviany mifanila vodirindrina aminy,ny renin’ilay zaza nampilaza fa maty novonoin’i Tafita,  vadiny ny zanany ao an-tranony. Nikoropaka ny fianakaviany nanamarina izany, inona tokoa fa io ilay rangahy mitrotro ny zanany efa mihoson-drà. Nentina namonjy hopitaly haingana ilay zaza ny harivan’io ihany,  na dia efa nanao izay ho afany aza ny mpitsabo dia tsy tana intsony ny ain’ilay zaza fa maty ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy. Nandritra ny fitsaboana ilay zaza, dia tsikaritra fa naratra mafy koa ny rainy, nahitana dian’antsy  efatra ny lohany araka ny fanazavan’ny mpiray tanàna aminy hatrany. Tsy afaka nitsabo tena anefa ny rain’ilay zaza, noho  ny tsy fananany vola raha ny angom-baovao teny an-toerana.  Taorian’ny tranga, nivory ny fokonolona sy ny lehiben’ny fokontany nanambara an-taratasy , fa nanafatra ny renin’ilay zaza maty  nilaza ireo fianakaviany mba hijery ny reniny fa hizaka ny voakatry ny nataony izy. Adrasana noho izany izay  ho valin’ny fanadihadiana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici