Resaka vomanga no nitarika ny adin’izy mivady tao Amabatomainty, fokontany Miandrisoa, kaominina Ambohidranandriana Atsirabe faharoa. Nambaran’ilay rangahy ho nohan’ilay ramatoa vadiny ny vomanga tokony homena ny kisoa. Tezitra tamin’izay ilay ramatoa ka raikitra ny fifamaliana ary niafara tamin’ny fifampikitian-tanana. Voalaza fa voarain’ilay ramatoa teo amin’ny filahiany ilay rangahy vadiny no sady nomeny ny daka. Nentin’ny hatezarana ilay rangahy ka ankalana vita amin’ny hazo no sendra voaran’ny tanany ary namelezany ny vadiny. Teo amin’ny faritra sarotra-pady nanandrify ny lohany no voavely, naratra mafy ilay ramatoa ka tsy tana intsony ny ainy roa andro taorian’io.
Tahotra ny valifaty ataon’ilay zana-badiny no nampitsoka ilay rangahy, fantatra mantsy fa efa nanan-janaka hafa ilay ramatoa taloha’ny nanambadian’izy ireo. Tra tehaky ny zandary ilay rangahy ary nahiditra am-ponja ny Alatsinainy 4 Oktobra teo taorian’ny fiakarana fampanoavana miandry ny fitsarana azy.