- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpivarokena voaendaka, maty voakapan’ny famaky

Antsirabe : Mpivarokena voaendaka, maty voakapan’ny famaky

Lehilahy iray mpivarokena  hamonjy fodiana  no maty novonoin’ny jiolahy tao amin’ny kaominina Sahanivotry. Noheverin’ireo jiolahy, fa nitondra vola be ity rangahy ity, niely mantsy ny feo fa nanam-pikasana hividy omby vosotra roa hatao ombin-tsarety ilay rangahy. Ny 22 jolay hariva tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany, raha izy hody avy nivarotra tao an-tsena no nosakanan’ny jioalahy maromaro.  Tsy namelan’ireo jiolahy raha tsy tapitra ny ain’ilay mpivarokena na dia tsy nahazoany vola be aza, antony noho  ny fahafantaran’ilay mpivarokena ireo namono azy. Telo andro taty aoriana vao hita ny razana, satria nafenin’ireo jiolahy tanaty kirihitra.  Marihana, fa nitondra môtô ilay mpivarokena tamin’ny fotoana namonoana azy io, saingy navelan’ireo jiolahy teo amin’ny faritra namoana azy ny môtô nentiny.  Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny  zandary tao amin’ny Poste Avancé  Sahanivotry, dia nisy famantarana iray nahafahana nanaraka akaiky ny fanadihadiana. Nisy dian-drà nitete hita  niditra tamina tokantrano iray. Ny fanadihadiana nataon’ny zandary no nahafantarana, fa lehilahy iray no naratra nandritra ny famonoana ilay mpivarokena, fantatra fa niezaka niaro tena ity farany ka ny famakin’ireo jiolahy ihany no niantefa tamin’ny tongon’ny namany. Niaiky ny heloka vitany rahateo ity lehilahy iray naratra ity ary izy no nanoro ny namany 8 lahy tompon’antoka tamin’izao vono olona izao. Natolotra ny fampanoavana, omaly Alatsinainy izy 9 mirahaly voasambotra.
Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici