- Publicité SW45 -
lundi, février 24, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpivarotra «kit Starlink » sandoka, voasambotry ny zandary

Antsirabe : Mpivarotra «kit Starlink » sandoka, voasambotry ny zandary

Betsaka ny mpila ity tolotra ity … tsy lavitra azy ireo ihany koa ny mpisoloky.

Telolahy ry zalahy : ny roa any Antsirabe ary ny iray aty Antananarivo, no miara-miketrika ity bizina maloto ity, amin’ny alalan’ny varotra an’habaka. « Fake Compte » (sarin’olona nangalarina sy anarana tsy izy) amin’ny tambajotra sosialy no hanjonoan’izy ireo olona ary maro tokoa ny roboka. Mazava ho azy satria mora noho ny an’ny hafa ny azy ireo, misy tolotra maro sy « mampilendalenda » hoy ny zandary ary mbola aterina sy apetaka maimaimpoana ihany koa, saingy ny tambiny dia mila alefa aloha ny vola, izay vao haterina ny entana. « Taolana mitrakitraky » araka ny fomba fitenin’ny tanora amin’izao anefa ny ao ambadika. Vao lasa sy tonga any amin’izy ireo fotsiny ny vola dia efa tsy azo antso sy « compte blocké » no setriny avy eo. Ny vola amin’io anefa tsy vola kely na aman-tapitrisany maro. Tsy afaka ny hitaraina akory ilay voafitaka : miantso tody sy mametraka fitoriana sisa no azo atao. Teo anatrehan’ny zava-nisy, izay niha-maro tonga teo am-pelan-tanan’ireo mpitandro filaminana dia nisy avy hatrany ny fikarohana sy ny fanadihadiana. Voasambotra ihany nony farany ry zalahy mpisoloky ireto ary efa eo ampanaovana famotorana ireo zandary. Miantso ireo olona hafa efa niharan’izay fisolokiana izay rahateo ireo zandary mba hanatona azy ireo. Marihana fa tao anatin’ny volana vitsivitsy izay dia niha-nahazo vahana betsaka teto amintsika ity resaka « starlink » ity. Ny « Starlink » ho an’ireo tsy mahafantatra dia mpaninjara aterineto amerikana tsy misy fetra amin’ny alalan’ny zana-bolana. Ny fitaovana dia azy ireo ary tokony vidina eny amin’ireo mpaninjara nomen’izy ireo alalàna ihany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici