Nitrangana fanafihan-jiolahy tao Mahafaly Vatofotsy Antsirabe, mpianaka mitazona fivarotana no lasibatra tamin’izany, notapahan’ireo jiolahy ny ratsatan’ilay ramatoa .Ny Alarobia alina lasa teo no nisehoan’ny fanafihana, tao anatin’ny fahatapahan-jiro no nanararaotra niditra an-keriny tao amin’ny trano fonenana no sady fiasana ny jiolahy 5 . Iaraha- mahalala rahateo fa dia tapatapa-dava ny herinanaratra teto Antsirabe tato ho ato izay. Asa, efa nandrasan’ireo jiolahy kendry tohina angamba ny fahatapahan-jiro, ny alin’ny Alarobia lasa io. Tokony ho tamin’ny valo ora alina, vao voahidy kely ny varavarana no tapaka ny jiro, nanararaotra ireo jiolahy namaky ny varavarana fidirana. Henon’ilay zanany lahy ihany ny korotandrotana tamin’zany ary nivoaka izy hijery ny zava-misy. Teo am-pamohana ny trano izy no avy hatrany dia notsenain’ny jiolahy tamin’ny daroka sy vely vy. Tafaporitsaka ihany ity zazalahy ity nitady vonjy, saingy efa tafiditra ny trano koa ny jiolahy. Namoha trano, hikasa handositra sy hijery ny zanany ilay renim-pianakaviana no avy hatrany koa dia nokapain’ireo jiolahy tamin’ny antsy be ny tànany ka ny rantsan-tanany havanana fasiana peratra no tapaka. Rehefa izany, voaambana basy sy antsy lava ilay raim-pianakaviana sy ny zanany vavy mbola tavela tao an-trano. Nasaina nandady nitondra ireo jiolahy amin’ny efitrano misy ny vola. Ankoatra ny vola 3 hetsy ariary, vola maty tamin’io andro io dia noraofin’ireo jiolahy ihany koa rehefa azo raisin-tanana sy ny finday rehetra. Matetika amin’izao andro avy orana izao, miampy ny fahatapahan-jiro no mampirongatra ny vaky ny trano sy asan-jiolahy ka tokony ho mailo hatrany ny rehetra.
Andry N.