Tsy kely làlana tokoa ny ratsy, fa dia mahita hevitra hatrany anaovany ny asa ratsiny. Tao anatin’ny roa volana izao, tranga roa hafahafa no efa niseho teto Antsirabe.
Nahazo vahana ny varotra volamena tato ho ato, maro rahateo ny volamena mivezivezy eto Antsirabe. Maka efitrano fatoriana iray amina hotely ireo milaza fa mpividy volamena, omeny fotoana ny mpivarotra ka lazainy fa ao amin’ny hotely no toerana azo antoka tokoa. Rosoany sakafo sy zavapisotro ireo mpivarotra, ka vantany vao misotro ilay zava-pisotro ny tompon’ny volamena dia resin-tory tanteraka, voalaza mihitsy aza fa matory iray andro mihitsy ny sasany, alainy mora foana avy eo ny entana. Hatreto dia efa nahatratra 480 grama ny volamena lasan’ireo olon-dratsy.
Andry N.