- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Nahafinaritra ny Noelin’ny Sembana

Antsirabe : Nahafinaritra ny Noelin’ny Sembana

Tonga maro ireo sembana manerana an’i Vakinankaratra.
Tonga maro ireo sembana manerana an’i Vakinankaratra.

Fikambanana Fitiavana an’i Vakinankaratra : Nizara sakafo ho an’ny sembana. Toy ny fanao isan-taona dia nijery manokana ireo olona manana fahasembanana eto amin’ny faritra Vakinankaratra ny fikambanana « Fitiavana an’i Vakinankaratra ». Efa am-polo taona no nijoroan’ny fikambanana. Randriambololona Sen mivady no nanangana azy  ka tanjona kinendry ny hanampy ny olona manana fahasembanana. Noelin’ny sembana, io no iantsoana ity hetsika fanaon’ny fikambanana ity. Tsy an-kavana fa izay olona manana fahasembanana rehetra dia nahazo fanasana avokoa. Nahazo fanampiana avy amin’ny tsara sitrapo sy ny malala-tànana maro izany. Anisan’izany ny vadin’ny Filoham-pirenena. Betsaka no tonga isan-taona. Tsy latsaky ny 2000 isa ireo olona tonga miara mankalaza ity noelin’ny sembana ity  ka fiaraha misakafo hatrany no atao amin’izany. Noho ny faharatsian’ny toe-trandro anefa tamin’ity taona ity, dia manodidina ny 1200 ireo olona manana fahasembanana niaraka tamin’ireo havany tonga naira-nifaly. Miara-miasa amin’ny fikambanana ny EKAR mampiantrano ity hetsika ity,  ka tao amin’ny « sœurs Trinitaires Valencia » Antanambao atsinanana no nandraisana ireo olona manana fahasembana maro be ireo ny faran’ny herinandro lasa teo. Ankoatra ity hetsika ity dia fanirian’ny fikambanana ny hanangana ivontoerana   handraisana ireo olona manana fahasembanana tsy manan-kialofana sy  lavitra fonenana nefa manaraka fitsaboana eto Antsirabe.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser