Niakatra fampanoavana ny talata lasa teo ilay raharaha zandary nanolana mpianatra avy amin’ny lisea tsy miankina iray ao Manandona Antsirabe. Niaiky ny fanamelohana azy ny voampanga saingy nahazo fahafahana vonjimaika eo am-piandrasana ny fitsarana azy. Raha tsiahivina, folo andro lasa teo izay no nametraka fitarainana teo anivon’ny zandary ny fianakavian’ity tovovavy mpianatra, 17 taona, kilasy faharoa any amin’ny lisea ity. Nitaraina ramatoa kely fa niharan’ny herisetra ara-nofo ary zandary no tompon’antoka tamin’izany. Araka ny fitantarany dia tratra hariva izy ary nangataka fiarovana tamin’ilay zandary. Nanatitra azy ity farany saingy voalaza fa nisy ny fanolanana teny an-dalàna hody. Noraisin’ny zandary an-tanana ny fitoriana noho izany, « tsy misy tokoa ny ambony lalàna », hoy ny lehiben’ny fiadidim-paritra nanamafy. Niroso tamin’ny fanadihadihana lalina ny tompon’andraikitra tamin’izany rehefa nahazo alalana avy amin’ny lehibeny. Voamarina fa nisy ny fanolanana. Fantatra tamin’ny fizaham-pahasalamana natao azy koa anefa fa bevoka dimy volana ilay mpianatra. Nandeha ary mbola mitohy hatrany ny famotorana. Ilay zandary aloha hatreto dia nafindra ao amin’ny biraon’ny zandary Antsirabe renivohitra ho fiarovana ny ainy ary manohy ny asany mandra-pahatongan’ny fotoam-pitsarana.
Voarisoa Davidson