Fikambanana niorina tamin’ny taona 1994 ny « Les enfants du soleil » ka teto Antsirabe no niantombohany. Ankehitriny dia efa miparitaka amin’ny faritra 5 eto amin’ny Nosy ity fikambanana ity, ahitana izany ao Antananarivo, Antsiranana, Toliara ary Fianarantsoa. Antompisian’ny fikambanana ny fikarakaraka ankizy na vehivavy mirenireny tsy manan-kialofana eny andalam-be. Mahatratra 2017 ireo ankizy sy vehivavy raisin’ny fikambanana an-tanana ny fikarakarana azy eto amin’ny Nosy. Mpiasa 161 no miandraikitra azy ireo ka 35 amin’izy ireo no eto Antsirabe. Tanjon’ny fikambanana ny hamerina ireny ankizy mpirenireny ireny any amin’ny ray aman-dreniny fa raisin’ny fikambanana an-tanana kosa ny fiainany iray manontolo raha toa ka tsy afaka miverina any antokan-tranony izy ireny. Nijery manokana ity fikambanana ity ny filoha nasionalin’ny antoko Freedom omaly hariva ka nanolotra fitaovana maro ho fanampiana ny fikambanana. Isan’ny tohana nomen’ny Rtoa Minisitra no sady filohan’ny antoko Freedom ny bofotsy, milina fanjairana sy kojakoja maro ilaina amin’ny fandrahoana sakafo. Marihina fa tsy vao sambany no nitondra tohana ho ana fikambanana eto Antsirabe ny antoko izay tarihiny fa efa maro ireo fikambanana nahazo izany.
Andry N.