Fantatra fa nampidirina am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’Antsirabe ilay teratany vahiny, voarohirohy ho nikasa hanolana zaza tsy ampy taona tao an-drenivohitr’i Vakinakaratra tao. Naharitra adim-pamataranandro maromaro mihitsy ny fihenoan’ireo mpitsara mpanao famotorana an’ity vazaha ity ny andron’ny alarobia lasa teo. Efa tany amin’iny valo ora sy sasany alina tany ho any mantsy vao vita izany ary tamin’io ora io ihany koa fantatra ny fampidirana azy am-ponja vonjimaika. Raha tsiahivina kely ity tranga ity niseho tao Antsirabe ity dia vazaha iray no tra-tehaky ny fokonolona niaraka tamina ankizivavy roa. Nihevitra avy hatrany ireto nahatratra fa saika hangala-jaza ity terantany vahiny ity, satria dia zaza tsy ampy taona ireto ankizivavy ireto, ka saika niharan’ny hatezeram-bahoaka teo raha tsy tonga ireo mpitandro filaminana nitondra azy tany amin’iny birao natao famotorana. Ity trangana fangalaran-jaza ity no saika namonon’ny fokonolona azy kanjo rehefa nohadihadiana ny anao lahy dia fantatra fa saika hanolana ireto ankizy vavy tsy ampy taona ireto izy, ary niaiky izany rahateo ny tenany. Nolaviny kosa ilay hoe saika hangalatra azy ireo. Araka ny fanazavàna nomen’ny tompon’andraikitry ny pôlisy tany an-toerana mantsy, dia efa nikitika mihitsy ny taovam-pananahan’ireto ankizy ny tenany ary teo no nihiakiaka sy niantso vonjy ireto farany ka io nampikoropaka ny fokonolona ary io saika niafara tamin’ny famonoana azy io. Isan’ny vaovao arahan’ny maro any an-toerana ity tranga ity ary samy miandry ny fotoam-pitsaràna azy ny rehetra.
m.L / Andry N.