- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversANTSIRABE : Namoaka ny andiany MAMEFY ny INSPMAD

ANTSIRABE : Namoaka ny andiany MAMEFY ny INSPMAD

“Masina sy Mendrika ny Fitsaboana” na MAMEFY io no anarana nosaloran’ireo mpianatra nahavita fiofanana tao amin’ny INSPMAD Antsirabe. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ity andiany ity ny faran’ny herinandro lasa teo. Afaka misehatra amin’ny asa avy hatrany ity andiany nivoaka ity indrindra fa amin’izao mampahoraka ny valan’aretina Covid 19 izao.  Ahitana mpitsabo mpanamy 38 mianadahy raha toa ka 32 kosa no nisafidy ny lalam-piofanana mpampiteraka na sage femme.

Mampiavaka ity andiany ity ny fanarahan’izy ireo fiofanana momban’ny famoronana sy fitantanana toeram-pitsaboana sy toeram-piterahana taoarian’ny famoahana azy. Paikady napetraky ny sekoly rahateo manomboka izao ny hanofana paramedy ho lasa mpandraharaha misehatra amin’ny fitsaboana hitantana toeram-pitsabona na toeram-piterahana raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny sekoly Atoa Rolland Albert Razandrakoto.

Ankoatra izay dia atosika ihany koa ireo mpianatra vao nahavita fiofanana ireto hiasa maimaimpoana na “bénévolat” any amin’ny hopitalim-panjakana mba hananan’izy ireo traikefa.

Fantatra fa hanoy fianarana any ampitandrano-masina ny nahazo laharana voalohany tamin’ity andiany ity. Mpianatra iray hafa kosa no nigagana satria nahavita nampiterana 149 izy nandritra ny fiofanany raha toa ka 20 isa ihany no takiana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici