- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe :  Namono tena teny ambony andrin-jiro

Antsirabe :  Namono tena teny ambony andrin-jiro

Niakatra teo ambony andrin-jiro izay mitondra herinaratra faran’izay mahery vaika ilay lehilahy. Talanjona ny olona raha nahita azy avy ety ambany, mipetraka tsara ery amin’ny 15metatra miala amin’ny tany. Tsy vitan’izany fa eo amin’ny andrin-jiro matanjaka. Ny andron’ny faran’ny taona teo no nisehoan’izany tao antampon-tanànan’Antsirabe. Efa nitangorona ny olona sady niangavy azy ny mba hidina avy hatrany. Tsy nahoany anefa izany, niziriziry tamin’ny heviny teo ary nijanona teo ambonin’ny andrin-jiro. Tampoka teo anefa nitsambikina avy eny ambony ny lehilahy ary naratra mafy rehefa nitontona tamin’ny tany. Torana tsy nahatsiaro tena. Tonga teo an-toerana ny « ambulance » naka azy ary nentina haingana tany amin’ny hopitaly mba ho fanavotana ny ainy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici