- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversANTSIRABE / Nampitondraina ny anaran’I Fy ny Studio Alliance Française

ANTSIRABE / Nampitondraina ny anaran’I Fy ny Studio Alliance Française

Tsy eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy fanabeazana fotsiny ihany ny hetsiky ny Alliance Française fa mivelatra amin’ny lafin-javatra maro . Isan’ny mampisongadina sy amantarana ny Alliance Française ihany koa ny hetsika ara zava-kanto. Raha ho an’ny eto Antsirabe manokana dia isan’ny tena mampisongadina ireo mpanakanto avy eto an-toerana ny Alliance Française amina fikarakarana hetsika samihafa. Antony iray nanokafana ny Studio vaovao izany raha ny fanazana mba hanampiana ireo mpanakanto satria dia misokatra ho an’ny maro ny Studio ary maimaim-poana, ny hany tokana takiana raha te hampiasa ity Studio ity dia ny fidirana mpikambana ao amin’ny Alliance Française. Efa misokatra ary notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Sabotsy 29 Janoary teo ny Studio Fy.

Nampitondraina ny anaran’i Fy ity Studio ity ho fahatsiarovana azy, i Fy anarana maha mpanakanto azy fa Rija Andrinanja no tena arany  izay teknisianina niasa nahiratra tao amin’ny Alliance Française nandritra ny fotoana maro no mpanakanto rahateo tao amin’ny vondrona  “Les  percutants” saingy nindaosin’ny fahafatesana tampoka izy ny taona 2020 .

Efa misy ny fiaraha miasa akaiky amin’ny mpanakanto fanta-daza, fantatra fa hivahiny eto Antsirabe ny tarika samoela manditra ny telo herinandro hikarakara ny raki-kira vaovao ka ao amin’ny Studio Fy no hanomanany izany tsy ho ela.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici