Malagasy miaramila any ivelany i Mamy Rasolofo, efa an-taonany maro izy no miandraikitra izany asa izany. Ankoatra ny maha miaramila azy anefa dia sady mpankanto ranamana mitory fialazan-tsara an-kira . Mpamorina no sady mpihira ary mitendry ihany koa Mamy Rasolofo. Hafa kely ny azy satria any ivelany izy ny mamorona sy mandrafitra ny hirany ireo mpitendriny sy mpihirany eto Antsirabe kosa no manantontosa ny rehetra sy mihira ny hira noforoniny. Efa mivoatra be rahateo ny teknolojia ampiasana ka tsy manano sarotra ny manantateraka izany hoy Beryl mpikambana ao amin’ny tarika. Tsy namela nandalo fotsiny ny faha-10 taona nisiany ny tarika Mamy Rasolofo fa nanamarika izany tamin’ny alalan’ny seho tokana nataon’ny tarika tao amin’ny efitrano malalaky ny fjkm Filadelfia Ambohimandroso Antsirabe ny datin’ny 13 janoary lasa teo. Nohiraina nandritry ity fampisehoana ity ireo hira namantarana ny tarika Mamy Rasolofo, “au grand complet” rahateo ny tarika hoy Rova zanany vavy isan’ny mpihira anatin’ny tarika. Efa nahatratra 6 ny raki-kitra navokan’ny tarika tao anatin’izany 10 taona nisiany izay. Saika mifono hafatra avokoa ny tonon-kiran’I Mamy Rasolofo, mandoana fo sy mandresy lahatra satria fitoriana ny filazan-tsara ankira no antony namoronany. Miisa valo ny mpikambana mandrafitra ny tarika, ka iray amin’ireo mpihira no zanany.
Andry N.