Nanao bemidina tamin’ireo faritra voalaza ho mafampana amin’ny resaka tsy fandriam-pahelemana ny polisy eo anivon’ny BRSP eto Antsirabe ny faran’ny herinandro lasa teo. Tampoka ary tsy nampoizin’ireo faritra nidinina ny hetsika, manodidina ny valo teo ny fokontany vita fisafoana tamin’izany. Vokany: olona roa no voasambotra fa tsy nazava ny momba azy ary heverina ho tompon’antoka tamin’ny tsy fandriam-pahalemana mitranga any amin’ireo toerana somary mihataka an’Antsirabe.
Nisy ny resaka nifanaovana tamin’ireo fokonolona eny ifotony, sy nanazavana tamin’izy ireny ny tokony hatao raha misy tranga tsy fandriam-pahalemana miseho, nampahafantarina ny fokonolona ihany koa ny laharana tokony hantsoina maika raha sendra misy fanafihana na tranga hafa mampiahiahy. Nambaran’ny kaomisera Alain Rafalimanana mantsy fa ny 90 isanjan-ton’ireo fokonolona tsy misy mahafantatra ny laharana tokony hantsoina mba hahatongavan’ny mpitandro filaminana ara-potoana eny an-toerana, voalaza mihitsy fa tsy misy mivaky loha amin’izay antso an-tariby ny fokonolona. Nohamafisina noho izany ny fananetanana ireo vahoaka amin’ny tokony hatao mba hisorohana sy hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahelemana. Nandraisana fepetra ihany koa ireo bara tsy manara-dalàna rehetra misokatra, voalaza hatrany fa feno toerana fivarotana zava-pisotra misy alikaola rehefa elakelan-trano. Mazana mantsy amin’ireny toerana ireny no fiheren’ny jiolahy alohan’ny hanaovany ny asa ratsiny.
Isan’ireo faritra mafampafana nosafoin’ny polisy ny teny Andrefatsena, Atsimon’Ivohitra Ambohipeno ary Besamoandro. Mbola mitohy ny fisafoana ary ezahana ny hanaovana izany matetika raha ny fanazavana hatrany.
Andry N.


