Nosafidiana manokana ny Tsena Sabotsy eto Antsirabe nanaovana ny hetsika tagnamaro andiany fahatelo noho izy ifamezivezen’ny olona maro eto Vakinankaratra. Nifanome tànana ireo sampan-draharaham-panjakana rehetra nilanja fitaovana ilaina amin’izany fanadiovana izany, izay notarihan’ny prefet-n’ Antsirabe Andriatomponera Voahangy Harimino raha toa ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina kosa no topo-mariky ny hetsika. Tsiahivina, fa natao hanairana ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenena tsirairay ny tanjona amin’ny tagnamaro ka ho zary ho lasa fomba fanao izany.
Tsy nitazam- potsiny ireo mpiasa avy amin’ny sampan-draharaham-panjakana, ny mpivarotra tao antsena Sabotsy fa nifarimbona niara- nanadio ny manodidina izy ireo na ny tao anatiny izany na tety ivelany.
Na izany anefa, mbola ho mafy ny ezaka, satria raha tsy ny tsirairay sy ny isam-batan’olona no miezaka tsy manary fako sy manao maloto etsy sy eroa, dia ho zava-poana ny zava-bita . Ny toe tsaina ho tia fahadiovana sy liam-pandrosoana no tena ilaina.
Andry N.