- Publicité -
mardi, juin 3, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Nanaovan'ilay mpitandro filaminana ny fanaminy rehefa nidofotra ny moto nentiny

Antsirabe : Nanaovan’ilay mpitandro filaminana ny fanaminy rehefa nidofotra ny moto nentiny

Somary nahatsikaiky ny maro ihany ny fihetsik’ity mpitandro filaminana iray nitondra moto  teo Ambohimiandrisoa ny Alarobia lasa teo. Napetany mantsy ny fanamiana ahafantarana fa mpitandro filaminana ny tenany rehefa avy nidofotra tamina taxi-brousse ny moto nentiny. Tsy vitan’izay araky ny fitantaran’ny nanatry maso fa mbola mamo koa ranamana, ary nandrahona fa mpitandro filaminana hono ny tenany. Vetivety dia nitongorona ny olona liana tamin’ny trangan-javatra. Raha ny fitantaran’ny olona nanatry maso hatrany, taxi-brousse iray mihazo ny lalam-pirenena faha-34 no teo anolohan’ilay nitondra moto. Nijanona tampoka anefa ilay taxi-brousse noho ny fisiana sarety iray teo anoloany. Ilay nitondra moto anefa niromorimo avy ao aorina ka tsy nahatana intsony ny hisitra ka nifatratra avy hatrany teo amin’ilay taxi-brousse.Tezitra tamin’izay ranamana ka avy dia ny fanamiany no nampidiriny mba hahalana fa mpitandro filaminana izy.

Tsy dia nankasitraka loatra ity fihetsik’ity mpitandro filaminana ity ny mponina ka tao ny nimenomenona, tao ny saika hanangam-bovona. Ankoatra izay niteraka fitohan’ny fifamoivoizana ny zava-nitranga ka rava ho azy teo ny resaka tsy nisy tohiny  fa samy nanohy ny diany ny roa tonta avy eo.

Andry N. 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici