Ela ny ela fa nandray ny tambin-karamany am-bolana maro ihany ny sefo fokontany eto amin’ny kaominina Antsirabe Ambonivohitra. Lelevaola mitetina 48 600 000ar no natokana nozaraina ho an’ireo sefo fokontany sy ny lefiny eto amin’ny kaominina Antsirabe Ambonivohitra. Omaly alarobia 21 febroary 2018 no fotoana natokana nizarana io tambim-karama io, fotoana izay notarihan’ny minisitry ny fahasalam-bahoaka sady mpiahy ny faritra Vakinankaratra, ny Profesora Andriamanarivo Mamy Lalatiana. Tambin-karama 18 volana io nozaraina io ary fantatra fa efa voalamina ny tetiandro hidinana eny ifotony handoavana ny tambin-karana ho an’ny sefo fokontany eto amin’ny faritra Vakinankaratra iray manontolo. Nambaran’ny minisitra fa noho ny ezaka sy fandresen-dahatry ny mpitantana eto Vakinankaratra no nahazoana io lelavola io, ary notsipihany fa ny faritra Vakinankaratra no nahazo tambin-karaman volana maro indrindra. Marihina fa miisa 60 ny fokontany eto amin’ny kaominina Antsirabe Ambonivohitra.
Andry N.