- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversANTSIRABE : Nanokafana tanin-janakazo koa ny fikambanana SOLOFO

ANTSIRABE : Nanokafana tanin-janakazo koa ny fikambanana SOLOFO

Ny sehatra fiarovana ny zon’olombelona no tena hamantaran’ny maro ny fikambanana Solofo na  » Soroka miara-milanja, Loha miara-misaina Fo miara-mitempo eto Vakinankaratra. Mopera Davidson no namorona ity fikambanana ity, efa 20 taona izao no nisiany ary manerana ny distrika 7 mandrafitra ny faritra dia misy rantsan’ity fikambanana ity avokoa.

Tsy eo amin’ny lafiny fiarovana ny zon’olombelona ihany anefa no sehatra hiasan’ny fikambanana fa mivelatra amin’ny lafiny maro hoy mopera Davidson. Ny faran’ny herinandro teo izao dia ny nanokafana tanin-janakazo lehibe ny foibe ao amin’ny piste Vatofotsy misy ny fikambanana Solofo. Ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana no tompomarika tamin’ny fampiofanana sy fanomezana voanjanakazo ary nampianatra ny teknika fananganana tanin-janakazo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa hamerenana ho maitso ny Nosy ny fametrahana tanin-janakazo manakaiky  kokoa ny vahoaka mba hanatrana ny tanjona.

Tsy hijanona eto amin’ny foibe ny fametrahana tanin-janakazo hoy mopera fa haparitaka manerana ny kaominina hiasan’ny fikambanana. Araky ny fanazavany dia efa misy 15 izao ny kaominina hametrahana izany.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici