- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Natomboka ny asa fanamboaran-dalana

Antsirabe : Natomboka ny asa fanamboaran-dalana

12 volana ny faharetan’ny fanamboarana ny lalana mahazoarivo ( sary Andry N)

Efa niditra tamin’ny andiany faharoa ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha 7 miditra an’Antsirabe ankehitriny izay tena nampiteny ny moana tokoa ny haratsiny, hatreo amin’ny toerana antsoina hoe Vorontsiloza ny fanamboarana ka mirefy 20 km no hasiam-panamboarana amin’izany. Ankoatra izay dia mamakivaky ny tanana io lalam-pirenena fahafito ary efa miroso tsikelikely ny asa ary tsy hijanona raha tsy any Toliara hoy ny minisitry ny asa vaventy Jerry Hatrefindrazana raha tonga teto Antsirabe nitsidika ny fizotry ny asa ny faran’ny herinandro lasa teo. Ankoatra izay, ny lalam-pirenena faha 34 , mandalo eto Antsirabe ihany koa, indrindra ny fahasimbana ao Ampahatrimaha distrika Betafo dia hakarina ny hahavony afahana miatrika ny fotoam-pavaratra sy hialana amin’ny firotsaky ny atsanga amin’ity toerana ity.

Fa miroso tsikelikely ihany koa ny fanamboarana ny lalana antapo-tanana Mahazoarivo ankehitriny. Ity lalana ity izay noheverin’ny maro fa tsy ho vita intsony satria efa antaonany maro no tsy nisy nijery nefa azo hambara ho avokavoka an’Antsirabe ihany. Raha tsiahivina efa nisy ny tetikasa hanamboarana azy ity tamin’ny fitondrana nisy tany aloha saingy tsy hita popoaka ny niafarany.

Fiaraha miasa avy amin’ny orinasa Cementis na Holcim teo aloha no anton’izao fanamboarana izao, hoy ny ben’ny tanana Dr Unoh,  ny orinasa izay nanolotra simenitra 450 taonina hanamboarana ny lalana, fa ny ambiny kosa di any kaominina no miantoka ny lany rehetra. Noheverina hatao beton posolanique ny lalana saingy noho ny zava misy, ny fandalovan’ireo fiara vaventy amin’ity lalana ity dia tsy maintsy nampiasa vatokely sy fasika ihany ny fanamboarana ary hatao matevina mahatratra 15cm ny hahavony. Mafy ny fanatanterahina ny asa hoy ingahy ben’ny tanana satria tsy mora ny mahita ireo akora ampiasana aminy ka raisina an-tanan-droa izay vonona hanampy.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici