- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Naverina tamin’ny tompony ilay toakagasy 1500 litatra

Antsirabe : Naverina tamin’ny tompony ilay toakagasy 1500 litatra

Naverina  tamin’ny tompony avokoa, ireo toakagasy rehetra nolazaina fa tsy manara-dalàna sarona teto Antsirabe ny 8 janoary teo.

Nandalo Fampanoavana ny raharaha, ary ny 14 janoary  teo ny fotoam-pitsarana, fantatra tamin’izany fa mitsahatra ny fanenjehana ary miverina amin’ny tompony avokoa ireo toakagasy 1500 litatra saron’ny zandary, nolazaina fa tsy ara-dalàna ireo. Nambaran’ny tompon’ny entana  fa manana taratasy ara-dalàna afaka mamokatra ity « Ainganiala »  ity ny tenany, ary manana porofo amin’izany izy. Naneho ny alahelony koa ity farany, ny amin’ny fanenjehana mihatra aminy màzana amin’ity vokatra vokariny ity. Nambarany mantsy fa, tsy vao sambany akory izy no iharan’ny fanagiazana ny entany rehefa mandalo eto Antsirabe. Soa aloha hoy hatrany ity farany, fa tsy nisy ny fandoroana avy hatrany ny entako fa nisy ny dingana tsy maintsy arahina. Efa saika ahitana ity « Ainganiala » ity avokoa ny faritra maro toy ny ao Toliara, Ilaka, Mahajanga Antananarivo sy Antsirabe ary Fianarantsoa. Ao Ambinanindrano Ambositra kosa no misy ny famokarana azy raha ny fanazavana hatrany.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser