Efa donton’ny zava-mahadomelina ny lohan’ireto olon-dratsy ka tsy nisalasala avy hatrany hifampitana tamin’ireto mpitandro filaminana, handeha hanindrona antsy. Soa ihany fa nahay niala ilay mpifanandrina taminy. Voatery nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ireo mpitandro filaminana ka maty tsy tra-drano ity niseho azy ho sahisahy ity.
Tranga niseho tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra tao ny alin’ny alahady lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia roalahy ireto olon-dratsy nikasa ny hanendaka enin-mianaka avy namonjy fahoriana teo Mahazoarivo Avaratra. Zava-maranitra no nentin’ireto roa lahy mpanendaka tamin’io fotoana io, izay nentin’izy ireo nandrahoana ireo fianakaviana kely ireto. Teny amin’ny tendan’ilay raim-pianakaviana avy hatrany moa izany, ary tsy afa-nikofoka ity farany. Ireo vady aman-janany kosa no niezaka niantsoantso sy nila vonjy tamin’ireo manodidina. Soa ihany, tamin’io fotoana io, dia tsy lavitra teo ireo mpitandro filaminana mpanao fisafoana andro aman’alina amin’ireo lalan-kely eny an-toerana. Vao nahare ny antso vonjy ireto farany dia tonga nanavotra ireto fianakaviana lasibatry ny mpanendaka ireto, izay tsy nampoizin’ireo mpanendaka velively, hoy ny vaovao. Ireto farany ihany koa, izay tsy nihevitra velively fa efa mpitandro filaminana no nanoloana azy ka avy hatrany dia handeha hanangam-bovona, hifampitana amin’izy ireo. Teo anatrehan’ny zava-nisy dia nampitandrina ireto tontakely tamin’ny alalan’ny tifi-danitra ireo mpitandro filaminana saingy tsy norarahian’ilay iray, izay efa vonon-kamono tanteraka. Hany ka voatery nitifitra azy ireo pôlisy. Maty tsy tra-drano vokatr’izay ilay iray, raha vaky nandositra koa ilay namany. Tsy ela dia voasambotra ihany koa moa ity farany, raha ny fampitam-baovao azo. Samy nentina avokoa izy roalahy ireto, ny iray nihazo ny tranom-paty, ny iray kosa nihazo ny biraon’ny kaomisaria ho amin’ny famotorana. Nampitandrina tanteraka ireo mpanao ratsy moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana rehetra ao an-tampon-tanan’Antsirabe ao fa tsy handefitra velively amin’ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana ary tsy maintsy hampiasa fitaovam-piadiana, amin’ny fotoana tokony hilaina izany.
Nangonin’i m.L