Miseho lany indray ny fanafihana mitam-piadiana eto Antsirabe tato ho ato izay, saika andrenesana fanafahina hatrany ireo faritra manodidina, sy ny ampovoan-tanàna.
Tokantrano iray no lasibatra tamina fanafihana mitam-piadiana teny Mahazina tamin’ny Alarobia lasa teo, tsy misy tahotra fa dia andro vao amin’ny 10 ora sy 30 maraina ireo jiolahy no manafika. Miditra ankeriny ry zalahy ary manambana basy avy hatrany, avy eo maka izay entana zakany. Nisy tamin’ireo manodidina anefa no avy hatrany dia niantso ny polisy vantany vao naheno ny fanafihana. Vetivety dia tonga teny an-toerana ny polisy, vao nahatazana ny mpitandro filaminana ireo jiolahy dia tsy nitsitsy fa nitifitra avy hatrany, raha ny fanazavana. Raikitra ny fifampitifirana, ary vaky nandositra ireo jiolahy. Nariany teny am-pitsoahana ny entana sasany. Fantatra fa dimy lahy ireo jiolahy nanao ity fanafihana ity ka ny iray no azo sambo-belona. Nitohy hatreny Ampatana ny fifanenjehana ny andron’io ka mbola nirefodrefotra ihany ny basy. Fantatra fa jiolahy iray mitazona ilay basy no nifanenjehana tany.
Araka ny fanazavana teo anivon’ny polisim-pirenena moa dia ireo jiolahy avy tany amin’ny fonja ireo manao fanafihana eto Antsirabe ireo. Araka ny lalàna dia efa tapitra ny fe-potoana hitazomana azy ireo eny ka tsy maintsy avoaka. Taorian’ireo fanafihana misesy moa dia efa nisy ny fandraisana fepetra amin’ny fampandrenesana ny polisy amin’ireo jiolahy avoaka.
Andry N.