Mpiambina toerana fanaovana karaoke iray eto Antsirabe no nosamborin’ny polisy avy amin’ny BC Antananarivo ny Alatsinainy hariva 11 Novambra lasa teo. Hatairana ny an’ny olona nandalo raha nandre ny fipoakana basy in-droa nisesy tao amina toerana iray fanaovana karaoke eto Antsirabe ny Alatsinainy hariva lasa teo. Tsy fantatra mazava tsara hatreto ny tena antony nipoahan’ny basy ,satria tsy nisy fifandoanana na endrika fanoherana nandritra ny fisamborana. Tokony ho tamin’ny 5 ora tany ho any moa no nandrenesana ny poa-basy. Nambaran’ireo polisy fa manana basy poleta ity mpiambina ity ka izay no antony nisamborana azy. Mpiambina no anton’asany, tsy nisy nahafantatra ny mpiara- miasa aminy
sy ny olona tao an-toerana nandritra ny fisamborana raha tsy efa nahita ny polisy nanao be miditra ny karaoke. Rehefa hitan’ireo polisy moa ity lehilahy ity dia nosamborina ary avy hatrany dia nampidirina tao anaty fiara, voalaza fa mbola misy namany hafa ihany koa karohina ankehitriny.
Andry N.
Antsirabe: Nirefotra ny basy tao amina karaoke
Articles qui pourraient vous intéresser