- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Nitsangana ara-panjakana ny « Association des Jeunes Cadres de Vakinankaratra...

Antsirabe : Nitsangana ara-panjakana ny « Association des Jeunes Cadres de Vakinankaratra »

Nambara tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny fihaonan’ny fikambanana natao ny 6 septambra  teo fa mijoro ara-dalàna sy ara-panjakana ankehitriny ny « Association des jeunes cadres de Vakinankaratra ». Mazava fa tanora avy amin’ny faritra vakinankaratra no mandrafitra azy ity, tanora manana andrakitra sy mandray andraikitra ary tia mandray andraikitra.

« Natambatry ny fomba fijery mitovy izahay , ary miray zava-kinendry dia ny fampandrosoana ny faritra niaviana », hoy ny filohan’ny fakambanana Rakotomalala Andriamihaja, nandritra ny fanolorana sy fampahafantarana  ireo birao mpikambana sy ny filoha namorona azy. Nomarihany  fa samy manana ny antoko politikany avy ireo mpikambana fa dia natambatry ny fomba fijery vaovao ka izao natambatra ho hery izao. Manamafy izany rahateo ny teny filamatra nosafidiana nalaina avy amin’ny tononkiran’i Mahaleo « Fihavanana tsy ho ravan’ny taona ». Notsipihan’ny filoha kosa fa tsy manakana ireo mpikambana hanao politika ny fikambanana.  Antom-pisian’ny fikambanana ny hitondra sy hametraka fomba fijery vaovao ka hahasahy handray andraikitra eto amin’ny faritra. Ny lafiny sosialim-bahoaka no tena himasoany  aloha hatreto. Fantatra araka ny fanazavana fa amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao dia hisy ny fanampiana ireo ray aman-dreny, mba hanalefahana ny vesatry ny fidiran’ny mpianatra, ka kaominina maromaro eto Vakinankaratra no hisitraka izany. Marihina fa saika ireo tanora  manana andraikitra lehibe eto amin’ny faritra Vakinankaratra avokoa no mandrafitra ny birao, nivoaka teny amin’ny anjerimanontolo izy ireo ary efa tafapetraka sy tafaverina soamantsara eto amin’ny faritra niaviany.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici