- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversANTSIRABE : Nitsidika ny faritra Vakinankaratra ny masoivohon’ny Inde

ANTSIRABE : Nitsidika ny faritra Vakinankaratra ny masoivohon’ny Inde

 Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fifanajana ny faritra Vakinkaratra ny maosivohon’ny Inde Sem Bandaru Wilsonbabu sy ireo mpiara miasa aminy. Nandra ireto delegasiona ireto ny olo be eto Antsirabe toy ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, ny prefet an’Antsirabe, ny ben’ny tanana ny kaomandin’ny ACMIL ary talem-paritry ny serasera sy kolontsaina. Anton’izao fitsidihana izao ny fanamafisana ny fiaraha miasa ara toe-karena sy ara tsosialy ary ny fivoarana’ny teknolojia. Voalaza fa tamin’ny 200 taona lasa tany no efa nifandray ny firenana Indianina sy n firenana Malagasy, maro ireo terantany Indianinina no mila ranvinahitra eto ka isan’ireo tetezana mampifandray ny firenana roa izy ireo. Nitohy tamin’ny fihaonana tamin’ireo mpandraharaha mivondrona ao amin’ny antenimieran’ny varotra sy ny Indostia ny fotoana, fanamafisana ny fiaraha miasa hatrany ny tanjona tamin’izany.Ankaotra ny fitsidihana nataon’ireo delegasiona avy any inde ireto dia nisy ny fifampizarana mahakasika ny Yoga, kolotsaina sy fanatanjahan-tena mampiavaka an’ny Inde. Mitaiza ara batana sy ara tsaina ary mampitony sy manatsara ny fikorinan’ny ra ny fanaovana Yoga raha ny fanazavana. Niara nanao Yoga teo amin’ny kianjan’ny Velodrome ireo vahiny manan-kaja ireto niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny.

Andry N

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici