- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversANTSIRABE : Nizara fitaovana ara panatanjahan-tena ho an'ny DREN ny Consulat de...

ANTSIRABE : Nizara fitaovana ara panatanjahan-tena ho an’ny DREN ny Consulat de Monaco

Tsy vao sambany no nisian’ny fiaraha miasa teo amin’ny DREN vakinankaratra sy ny Consulat de Monaco fa efa nisy teo aloha. Isan’izany ny nanomezan’ny consulat de Monaco solo saina ho an’ny lisea roa teto Vakinankaratra, ny lisea André Rasempa nahazo solo saina efatra raha toa ka roa kosa ny an’ny lisea Vinaninkarena. Tonga teto Antsirabe ny Talata 15 Desambra lasa teo indray ny delegasiona avy amin’ny consulat de Monaco nanolotra fitaovana ara-panatanjahan-tena ho an’ny DREN Vakinankaratra. Nambaran’ny Rtoa Niry Rabemanolontsoa lefitry ny consule de Monaco fa efa folo taona no nisinan’ny hetsika fanampiana ho an’ny sekoly toy izao. Ny faritra Anamalanga, Itasy ary Bongolava hatrizay no nisitraka izany fa tamin’ity taona ity kosa no natomboka ny an’ny ny faritra Vakinankaratra. Fitaovana ara panatanjahan-tena maro toy ny baolina amin’ny karazan’ny taranja avy, maillot, amboara sns. Samy hahazo ny anjarany avokoa ny Cisco 7 eto Vakinankaratra raha ny nambaran’ny talem-paritry ny fanabezam-pirenena Rakotoarimanana Heriniaina Nomenjanahary ary efa niroso tamin’ny fitsinjarana izany ny tompon’andraikitra.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici