- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversANTSIRABE : NIZARA NY TRAIKEFANY TAMIN’NY MPIANATRY NY LARA NY MPANAO GAZETY

ANTSIRABE : NIZARA NY TRAIKEFANY TAMIN’NY MPIANATRY NY LARA NY MPANAO GAZETY

Fikirakirana ny asa fanaovan-gazety , io no loahevitra noentin’ireo solotenan’ny mpanao gazety teto Antsirabe nomena ny mpianatra kilasy famaranana tao amin’ny LARA  “Lisea André Resampa Antsirabe”.

Tontosa ny faran’ny herinandro ity fifampizarana ity, saika nahitana solotena avokoa ny mpanao gazety na antsoratra  na haino vaky jery ka nivalapatra ireo mpianatra tamin’ny fametrahana fanontaniana manitikitika azy ireo. Maro rahateo ny mpianatra misafidy ny sokajy L ankehitriny raha ao amin’ny LARA no resahina.

Efa manakaiky ny famaranana ny taom-pianarana, misy hatrany fihaonam-be hataon’ny mpampianatra rehefa toy izao hoy Kassam proviseur ny LARA ka tamin’io fotoana io indrindra no nanararaotana nangatahana fiaraha-miasa amin’ny mpanao gazety hizara amin’ireo mpianatra ny mahakasika ny asa fanaovan-gazety sy ny manodidina azy . Iaraha-mahalala rahateo fa asa masina sady ilain’ny fiaraha-monina ny asa fanaovan-gazety hoy hatrany izy nanazava.

Ilain’ny mpianatra  ny fizarana traikefa sy fahalalana toy izao indrindra ho an’ireo kilasy famaranana ka hisafidy ny sampana serasera na fanaovan-gazety. Maro mantsy ireo mpianatra no diso lalana aorian’ny fahazoana ny bakalorea ka mitety sampana maro, lany taona iray na roa vao tena mahita ny lalana tokony hizorany.

Ezahina ny hisian’ny fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao toy izao hoy ny tompon’andrikitry ny sekoly, ny mpanao gazety rahateo vonona ny aminin’izany.

Andry N

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici