- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Norasin’ny faritra an-tanana ireo fianakaviana niharan’ny kidnapping tany Andilamena

Antsirabe : Norasin’ny faritra an-tanana ireo fianakaviana niharan’ny kidnapping tany Andilamena

Noraisin’ny faritra an-tanana ireo fianakaviana iray nila ravinahitra tany Andilamena rehefa avy niharan’ny fanafihana miharo fakana an-keriny ireo zaza miisa 4 mianadahy. Fianakaviana avy eto amin’ny faritra Vakinankaratra ihany mantsy izy ireo, raha ny fanazavana voary, saingy noho ny fitadiavana dia voatery nisintaka lavidavitra mihitsy.

Raha tsiahivina, ny 7 jolay 2014 no  nisy nanafika ny tokantrano iray nisy ireto fianakaviana ireto. Tsy tao an-tranony ny raim-pianakaviana tamin’io fotoana io fa namonjy ny karieram-batony, miala lavitra ny tananany. Nalain’ireo jiolahy an-keriny tamin’izany ny zaza efatra mianadahy. Nandritra ny iray volana latsaka kely no nitazoman’ireo olon-dratsy ireo zaza ka maloto sy mangahazo no nataony foto-tsakafony. Tao anaty lavaka  no voalaza fa nanafenana azy nandritra izany fotoana izany. Ankaotra izay dia niharan’ny fanolanana ihany koa ilay zazavavy kely vao valo taona monja, ary nodorana tamin’ny afo ny fitombenany. Fantatra moa fa nokasaina hamidy ireo zaza ireo saingy tafaporitsaka.

Ankehitriny dia niverina eto Vakinankartra ireo fianakaviana niharam-boina, izay norasin’ny faritra Vakinankaratra, notarihan’ny  lehiben’ny faritra Andriamasimanana Samuel Bertin  niaraka tamin’ny  OMC «  organisme Mixte de Conception »,  ny  8 oktobra 2014 lasa teo . Voin-kava mahatratra, hoy ny lehiben’ny faritra, ka notoloran’ny faritra vola 1 tapitrisa ariary sy tany hambolena ireo fianakaviana, ary noraisina hiasa ao amin’ny faritra ihany koa ny rain’ireo zaza. Mitaraina kosa ireo tangalamena sy ray aman-dreny avy ao Andilamena amin’ny asa ratsy afitsok’ireo jiolahy. Voalaza mantsy fa mbola mirenireny ao an-toerana ankehitriny ilay nahavanon-doza tamin’ity raharaha ity, ka mandry andriranantsy ny mponina. Ankoatra izay dia mirongatra izay tsy izy ihany koa ny vaky fasana, ka ny 90 isan-jaton’ny fasana any Andilamena dia efa tapitra vaky avokoa, hoy hatrany ny fanazavan’ireo tangalamena.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser