Efa tao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Paska mihitsy ny teto Antsirabe ny zoma 18 Aprily lasa fotoana nisehoan’ny fanafihana. Tsy vitan’izay fa teo ampovoan-tanana mihitsy no sahy nanafika toeram-pivarotan-tsolika Jovenna eo Antsenakely ny bandy dimy lahy. Voalaza fa nitondra basy poleta P.A ny sasany tamin’ireo jiolahy antsy lava sy baraminina kosa no teny an-tanan’ny hafa. Tsy nisy alaharo, tokony ho tamin’ny 8 ora sasany teo, avy hatrany dia nofehezin’ireo olon-dratsy ny toerana ka ireo nanao saron-tava no sahy nanatona ny toerana mazava misy ny mpiambina iray. Novelezin’ireo jiolahy tamin’ny vody basy ny lohan’ilay mpiambina iray ka ny misy vola no nanontaniany avy hatrany. Fotoana fohy monja no naharetan’ny fanafihana ka na dia ny vahoaka teo amin’ny manodidina aza tsy nahatsikaritra raha tsy naheno ny antsoantso vonjy nataona mpiasa iray tafaporitsaka. Tavela tamina efitra iray hafa ity mpiasa ity ka tafatsoka, tsikaritr’ireo jiolahy ihany anefa izy ka raikitra ny fanenjehana, saingy tafavoaka ihany ity farany. Voalaza moa fa manodidina ny roa tapitrisa ariary ny vola lasan’ireo jiolahy nandritra io fanafihana io.
Andry N.