- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Notobasany rano mangotra ny vadiny, nomeny poizim-boalavo, nokendainy ho faty

Antsirabe : Notobasany rano mangotra ny vadiny, nomeny poizim-boalavo, nokendainy ho faty

Zava-doza no nitranga tao amin’ny fokontany Ambohimena ny faramparan’ny taona lasa teo iny. Tsy iza fa ny vady andefimandriny ihany no nahavita nanapitra ny  aim-badiny  rehefa avy notobasany rano mangotraka sy nampisotroiny poizim-boalavo.

Ny voalohan’ny volana janoary teo, nampilaza tao amin’ny polisy Ambohimena ny zandrin’ny maty fa mampiahiahy ny nahafatesan’ny zokiny. Tonga nanao ny fizahana ny polisy niaraka tamin’ny BMH ary voaramarina tamin’izay tokoa fa may nitsovaka be ny tanany havanana, ary nisy dian-traka koa ny vatany. Nametraka fitoriana Radimilahy zandrin’ny maty ka teo no nisokatra ny fanadihadiana, taorian’ny fandevenana. Mpivady ara-dalàna ary niteraka roa lahy ity fianakaviana iray ao Ambohimena ity, raha ny fantatra aza moa dia 14 taona nivadiana izy roa.  Matetika anefa no miady sy mifandramatra lava izy roa ka nisaraka. Nifindra monina tany Antananarivo ilay rangahy, fa any no misy ny fianakaviany afaka nampiasa azy ary niasa fotoana maro tany. Taty aorina, natao hasoavana  ny zanany ka nalainy tao Antananarivo ilay rangahy hanotrona azy. Toarian’izay, niverina nivady indray izy roa, fotoana vitsy ihany anefa dia niverina indray ny ady sy ny gidragidra nahazatra teo aloha.

Ny faran’ny volana desambra lasa teo, notombohan’ilay ramatoa tamin’ny angady aloha ny tongon’ilay rangahy vadiny ka naratra mafy. Tsy vitan’izany fa notobasany rano mangotraka ihany koa ny vatany ka nitsovaka tanteraka ny ila-tanany. Tsy nijanona hatreo anefa ny herisetra nataony fa nalainy ny poizim-boalavo, nototoiny ary nafangarony tamin’ny rano, nomeny ny vadiny, nolazainy fa fanafody may. Nikohakohaka ity rangahy vadiny ka tamin’izay no nanakendany azy mandra-pahatapitry ny ainy.

Nandritra ny fikarakarana ny razana, nangataka fanampiana tamin’ny fiankaviany ity ramatoa nahavanon-doza ity ka tamin’ny nampiakanjoana ny maty no nahatin’ny havany ireo ratra nahazo azy ka nahatonga ny fanadihadiana nisokatra. Niaiky ny heloka vitany ilay ramatoa, ary efa any am-ponja miandry ny fitsarana azy.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici