- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Notsindrominy antsy ny fon’ilay rafilahiny

Antsirabe : Notsindrominy antsy ny fon’ilay rafilahiny

Nisehoana tranga hafahafa sy mamoa-doza mihitsy  teto Antsirabe tato ho ato izay. Taoariana kelin’iny fitsaram-bahoaka miharo fandrobana fianakaviana iray iny dia tovolahy iray indray  no maty voatsatoka antsy teo amin’ny fony.  Resaka ara-pitiavana no anton’izao famonoana olona izao.

Tao Antanambao velodrome no nisehoan’ity tranga mampalahelo ity ny  alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Vehivavy iray no nisaraka tamin’ny sipany noho ny olana nitranga teo amin’izy roa . Taty aoriana kely, niaraka tamina tovolahy iray hafa izy ka io no tsy zakan’ilay taloha. Nifandramatra sy nifamaly matetika izy roa lahy ireo fa tamin’ity indray mitoraka ity dia ny ain’iray no nanefa. Nihaona izy roa lahy  nifanazavana, kinanjo niafara tamin’ny fifandonana ny resaka. Efa nivonona tamin’ny antsy anefa ilay tovolahy  taloha ka avy hatrany dia ny nolerany  ny antsy ilay rafiny. Teo amin’ny tratrany, nanandrify ny fony no niditra ny antsy. Nitsoaka nandositra ilay nahavanon-doza rehefa hitany fa lavo ny rafiny ka ilay vehivavy no nitondra ny sipany tany amin’ny hopitaly. Tsy avotra intsony anefa ity farany. Ny alahady tokony tamin’ny 11 ora alina ny pôlisy no naharay antso mikasika ity raharaha ity, fotoana izay mbola nahamay tamin’ilay resaka fandrobana tao Vatofotsy. Tsy niandry ela anefa  fa avy  hatrany dia nikaroka ny nahavanon-doza ny mpitandro filaminana, efa voasambotra ilay io ary efa tazomina ao amin’ny polisy miaraka amin’ilay vehivavy nipoiran’ny olana.

Andry N. 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici