Tsy vitan’ny fifamaliana tsotra intsony ny fifandiran’izy roa lahy fa dia notsondromin’ilay zandriny antsy ilay zokony rehefa tsy nifankahazo loatra taminy intsony. Mbola miady amin’ny fahafatesana ilay rangahy efa ho 40 taona amin’izao ao amin’ny CHRR Antsirabe. Marihina anefa fa jamba io rangahy voatsindrona antsy io. Nambaran’ireo fianakaviana fa samy efa niverina mipetraka ao amin’ny ray aman-dreniny avokoa izy roa lahy ireo rehefa samy nila ranivinahitra tamin’ny faritra nisy azy tany. Ilay zandriny no niverina voalohany nikarakara ny ray aman-dreniny rehefa nisotro ronono ireto farany. Ilay zokiny kosa rehefa nisara-panambadiana dia nalain’ilay zandriny niara-nonina tamin’izy ireo. Tsy naharitra ela akory anefa izany fa nisehoana fifamaliana matetika tamin’izy roa lahy ary dia izao niafara tamin’izao tsindrona antsy mahatsiravina izao. Tsy fantatra aloha izay niantombohan’ny ady fa ilay zokiny efa miantso vonjy no nanaitra ny manodidina sy ilay rainy nanome sakafo ny vadiny tsy salama. Ny fianakaviana nifanila vodirindrina no nahatazana mialoha ilay rangahy mitsirara sy mihoson-drà. Taitra ireto farany nahita izany ka rehefa nozahana dia ilay zandriny ihany no nahavanon-doza. Teo no ho eo ihany dia nentina namonjy toeram-pitsaboana ilay rangahy, natolotra ny mpitandro filaminana kosa ilay zandriny.
Andry N.